dimanche 15 septembre 2013

Fanambaran'ny GTT Iraisampirenena-Genève: « Fifidianana eken'ny rehetra no ilain'ny Tanindrazana »

Malagasy Mandresy, Madagasikara Afaka
Peuple Malagasy Gagnant. Madagasikara Libre
Winner Malagasy People. Free Madagasikara

FANAMBARANA  

« Fifidianana eken’ny rehetra no ilain'ny Tanindrazana »



Manoloana ny fizotran’ny raharaham-pirenena, dia manao izao fanambarana manaraka izao ny GTT Iraisampirenena, izay manana ny foibeny ao Genève (Suisse).
Ny GTT Iraisampirenena Genève dia mitsipaka marindrano ny fanohanana sy fandraisana anjara amin’ny fifidianana izay tian’ny fianakaviambe iraisampirenena apetraka.
Fifidiana amboletra io fifidiana io, araky ny efa nambaran’ny Filoha Ravalomanana.
Ankehitriny anefa dia teren’ny fianakaviam-be iraisam-pirenena ny vahoaka Malagasy hanaiky izany rehefa avy nolalaoviny sy nampahoriany nandritra ny 4 taona mahery.
Iaraha-mahalala fa io fifidianana io dia tetika entina hametrahana eo amin’ny fitondrana ireo nanao heloka bevava teo amin’ny Firenena sy ireo mpanompon’ny mpanjanatany
Fanavotam-pirenena no fahamehana ankehitriny. Ny fandraisana anjara amin’io fifidianana io dia fanomezana vahana ny mpanjanaka.
Mazava ary tsy miova ny safidinay: tsipahinay ankitsirano ny fanitsakitsahana ny zon’ny Malagasy amin’ny fametrahana saritsarim- pifidianana.
Tsy hitondra vaha-olana ho an’ny krizy lavareny sedrain’ny Firenena izany, fa vao mainka aza hanalava sy hanamora ny fanjanahana amin’ny endriny vaovao izay tian’ny frantsay apetraka.
Noho izany dia manainga ny mpiray tanindrazana tan-dalàna rehetra ny GTT Iraisampirenena Genève mba  hanambatra hery sy hitsinjo hatrany ny tombotsoa avon’ny firenena.
Manentana antsika hiara hiasa amin’ny fametrahana fifidianana eken’ny rehetra izay miantomboka amin’ny fanohanana ny diniky ny samy malagasy tarihin’ny FFKM.
Tianay ny mampahatsiahy fa fikambanana mahaleo tena, manana ny fomba fijeriny sy manohana ny fanehoan-kevitra malalaka ny GTT Iraisampirenena-Genève, ary tsy mitsahatra ny miady hoan’ny famerenana ny ara-dalàna.

Genève, 14 septambra 2013

GTT Iraisampirenena-Genève
GTT International–Genève
15, rue des Savoises

1200 Genève – SUISSE

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".