lundi 11 juillet 2016

Chilly-Mazarin (France): Rencontre entre le Président Ravalomanana et la diaspora (Photos)

Le Président Marc RAVALOMANANA est venu à la rencontre de la diaspora réunie samedi à Chilly-Mazarin (Région parisienne) à l'appel du GTT Inter Ge.
Lors de cette rencontre, riche en convivialité, le Président a confirmé sa volonté de se porter candidat aux élections de 2018.

----------------
Nandalo tao Parisy ny filoha Ravalomanana ny 9 juillet lasa teo ary namaly ny antson’ny Diaspora malagasy monina aty Eoropa hihaona aminy. Tao Chilly-Mazarin (Atsimon'i Parisy) no natao ny fihaonana ary momba ny toe-draharaham-pirenena amin'izao fotoana izao no votoatin-dresaka tamin'izany.

Nahatsapa ireo malagasy monina any ivelany fa tena latsaka anaty lavaka lalina i Madagasikara amin’izao fotoana izao.

Tadidy fa teo andalan’ny fandrosoana ny firenena tamin’ny 2008 kinanjo voasompatry ny fanonganam-panjakana, koa ankehitriny dia ny fanjakan’ny baroa no hiainana. Tsy misy antenaina ny hoavin’ny firenena raha toa ka mitohy hatrany ny fandrobana ny harem-pirenena, ny fampihorohorona vahoaka, ny jadona, ny halatra, ny vono-olona, ny fanapenam-bava, ny fisolokina mivantana sy halatra ambony latabatra, ny kolikoly izay efa hita nanomboka tamin’ny 2009 ka hatramin'izao

Manoloana izany toe-javatra rehetra izany dia manohana tanteraka ny hilatsahan’ny filoha Ravalomanana indray amin’ny fifidianana 2018 izy ireo satria izy irery ihany no hita taratra sy nanome porofo fa mitondra an'i Madagasikara amin’ny lalan’ny fivoarana.

Niafara tamin’ny fialana hetaheta sy fiara-misakafo ny fihaonana



 

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".