mardi 12 juillet 2016

Fihaonan'ny diaspora tamin'i Marc Ravalomanana tany Chilly-Mazarin (Paris): Akon-gazety

Marc Ravalomanana any Parisy: Nanamafy ny maha-kandidà azy


11/07/2016
Nohamafisin’Atoa Marc Ravalomanana tamin’io fihaonana tamin’ireo Malagasy tao Chilly Mazarin (Paris) ny filatsahany amin’izay fifidianana ho filoham-pirenena manaraka ho avy eo.
  Nahafaly tokoa ireo Malagasy monina any an-toerana izao fihaonana tampoka izao satria nahafahana niresaka sy nifanakalo hevitra. Maro karazana ireo lohahevitra voaresaka tao ary nisongadina ny fiantsoan’i Marc Ravalomanana ny Malagasy mba hanambatra ny heriny sy hiray hina. Tapaka tamin’izany koa fa feo iray ihany no andrenesana ny Gtt izay nanome toky teo imason’ny filoha Ravalomanana fa handray ny andraikitra tandrify azy amin’ny fanohanana azy ho lany filoham-pirenena indray.
Nangonin’i RTT
http://www.tiatanindrazana.com/politique/marc-ravalomanana-any-paris-nanamafy-ny-maha-kandida-azy-2016-07-11-22824.php

**********************************

Hanohana an-dRavalo ny GTT

  

*************

Midi Madagasikara (15/07/2016)

Ravalomanana tao Paris : Nitaraina taminy ny Diaspora


http://www.midi-madagasikara.mg/wp-content/uploads/2016/07/ra8-300x300.gif Nandalo tao Paris ny filoha Ravalomanana, ny 9 jolay lasa teo ary namaly ny antson’ny Diaspora malagasy monina aty Erôpa nihaona taminy. Tao Chilly-Mazarin (Atsimon’i Paris) no natao ny fihaonana ary momba ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao no vontoatin-dresaka tamin’izany. Hery Andriamparany, tompon andraikitry ny serasera an’ny GTT International no nanazava, fa « nahatsapa ireo malagasy monina any ivelany fa tena latsaka anaty lavaka lalina tanteraka i Madagasikara amin’izao fotoana izao. Tadidy fa teo an-dalan’ny fandrosoana ny firenena tamin’ny 2008 kinanjo voasompatry ny fanonganam-panjakana, koa ankehitriny dia ny fanjakan’ny baroa no iainana. Tsy misy antenaina ny ho avin’ny firenena raha toa ka mitohy hatrany : ny fandrobana ny harem-pirenena, ny fampihorohoroana, ny jadona, ny halatra, ny vono olona, ny fanampenam-bava, ny fisolokiana mivantana sy halatra ambony latabatra, ny kolikoly izay efa hita nanomboka tamin’ny 2009 ka hatramin’izao ». Manoloana izany toe-javatra rehetra izany, dia manohana tanteraka ny hilatsahan’ny filoha Ravalomanana indray amin’ny fifidianana 2018 izy ireo satria izy irery ihany no hita taratra sy nanome porofo fa mitondra an’i Madagasikara amin’ny lalan’ny fivoarana. Niafara tamin’ny fialana hetaheta sy fiaraha-misakafo ny fihaonana tao Paris.

r.f

http://www.midi-madagasikara.mg/faits-divers/2016/07/15/ravalomanana-tao-paris-nitaraina-taminy-ny-diaspora/

 

 

Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".