jeudi 6 avril 2017

Bianco: FANAMBARANA Ny SENDIKA NY MPITSARA ETO MADAGASIKARA (SMM)

FANAMBARANA

Ny SENDIKA NY MPITSARA ETO MADAGASIKARA (SMM) dia manao izao fanambarana izao fa amin’ny maha tany tan-dàlana an’i Madagasikara, dia :

- mitaky izahay ny fampiharana ny làlana 2004-030 nivoaka ny 09 septambra 2004 mikasika ny BIANCO, nasiam-panovana araka ny làlana 2016-022, izay miantoka ny fahaleovan-tenany tanteraka; mametraka ny tsy fitsabatsabahan’ny Fahefana Mpanantanteraka sy ny Fitsarana raha mbola eny anivon’ny fanadihadiana sy famotorana eny amin’io Sampan-draharaha io ny raharaha;
Noho izany tsy ekenay mba ho fampiharana io làlana io ny fitsabahana na iza na iza amin’io raharaha io fa aoka avela hiasa malalaka ny mpanao famotorana.
Satria, tsy mbola mahakasika ny Fitsarana ny raharaha ankehitriny, dia tandrovinay SMM izay tsy fitsabahana sy faneriterena ary ny tsindry rehetra amin’ny fotoana mety hahatongavan’io raharaha io ety amin’ny Fitsarana. Izahay dia hanara-maso akaiky izany.

- Tsy ekenay ny herisetra amin’ny endriny rehetra atao amin’ny Mpiasam-panjakana sy ny biraom-panjakana;

- Tsy manaiky lembenana amin’ny fanorohorona sy tsindry isan-karazany na avy amin’iza na avy amin’iza;

- Mamerina hatrany ny fametrahana ny fahaleovan-tena ny Fitsarana ary manameloka ny fomba rehetra atao hanohitohinana izany;

- Mamerina ihany koa ny maha tany tan-dàlana ny Firenena Malagasy araka ny ambetin-tenin’ny Filohan’ny Repoblika;

- Manamafy fa araka ny didy aman-dàlana dia tsy tokony hitsabahana ny raharaham-pitsarana ary tokony hajaina mandrakariva ny Làlam-panorenana sy ireo làlana manan-kery rehetra;

- Manamarika ny SMM fa ny endrika fitsabahana amin’ny famotorana toy izao atao amin’ny BIANCO izao dia toherinay.

- Rehefa ho tonga eny amin’ny Fitsarana ny raharaha dia hanara-maso akaiky ny fizotrany ny SMM.

- Raha nanao iny fanambarana iny ny Ministra dia ny heviny no nambarany fa tsy hevitrin’ny Mpitsara Malagasy;

Noho izany, miantso ny Vahoaka Malagasy rehetra mba ho tony izahay Mpitsara mivondrona ato amin’ny Sendika.
Mankahery ny Mpitsara rehetra sy ny Tompon’andraikitra mpampihatra làlana rehetra ary mamporisika hatrany ny handraisan’izy ireo ny andraikitra izay napetraky ny làlana aminy: Mpitandro ny Filaminana ao anatin’izany.
Manohana tanteraka ny ezaka rehetra nataon’ny Tompon’andraikitra ny BIANCO amin’ny fametrahana ny tany tan-dàlana.
Miantso sahady ireo Mpitsara fa hisy fivoriambe tsy ara-potoana izay hatao .
Miantso ny Fitondram-panjakana mba handray fepetra hanajanonana ny firongatry ny “vindictes populaires”izay mahazo vahana eto amin’ny firenena;

Misaotra indrindra.

Ny Birao


Aucun commentaire:

Enregistrer un commentaire


Le GTT INTERNATIONAL, collectif de la diaspora malagasy, dont le siège est à Genève (CH), poursuit un double objectif: la restauration de l'Etat de droit et le rétablissement de la Démocratie à Madagascar. Il prône et oeuvre pour la liberté d'expression, la prise de conscience citoyenne et la mise en place d'une vraie démocratie dont l'exigence première est la tenue d'un processus électoral inclusif, libre et transparent ".